Sport

Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto


  • Zoma 02 Jona 2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Taorian'ny naha tompondaka eran-tany an'i Jean, Hery ary Newton dia mbola misy tokoa ireo mpandimby. Natao tao Antsirabe indray ny fifaninana natokana ho an"ireo sangany (combat des élites) ary dia lasan'ny Bouliste Club Ialatsara Ambohimahasoa izany saingy anarana ihany izany fa ankoatra an'i Tafita dia Betafo roa no nandrafitra ny ekipa dia Nary sy Lova izany. Mpitifitra telo izany no nalahatra ary nahitana vokatra satria resiny 13 noho 11 teo amin'ny famaranana ny ekipan'ny UBM nahitana an'i Bela, Liva ary Zakabe. Namporidihina moa ity fifaninanana hafa kely ity mba hijerena izay tokony hisolon-tena antsika any amin'ny fiadiana izay ho tompodakan'i Afrika sy eran-tany Tena tsara ilay hevitra saingy hatreto aloha dia tena mbola tsy fantatra na afaka ny sazy na tsia. Tsy voaasa tamin'ny fivoriana farany nataon'ny FIPJP aloha ny FSBM. Ny filoha Claude Azéma rahateo tsy dia ahitan-teny toy nu tamin'ny andron'i Dolys Randriamarohaja.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT