Sport

Tsipy kanetibe – Mada Fantatra ireo ekipa vehivavy sy zandriny ho any Thailande


  • Talata 25 Aogositra 2015

Fantatra taorian’ny dingan’ny famaranana goavan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara olon-telo miaraka vehivavy sy sokajy zandriny natao tamin’ny faran’ny herinandro teo ireo ekipa nandrombaka ny anaram-boninahitra ho an’ity taom-pilalaovana ity

 


. Teny Ankatso no nanaovana ny fifaninanana ary nafindra tetsy amin’ny CBT kosa ny dingan’ny famaranana. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny CIA norafetin’i Mihaja, Solo, Aina izay nandresy ny ekipan’ny CBT misy an’i Eva, Fetra ary Emma tamin’ny famaranana. Tompondakan’ny sokajy zandriny kosa i Bolo sy Papoo ary Nosoavina. Voahosotra ho tompondaka tamin’ny fifaninanana tifitra kosa i Fafah. Marihina fa ireo ekipa tompondaka ireo no hisolotena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany hatao any Thailande. Ny 31oktobra hatramin’ny 2 novabra ny an’ny sokajy vehivavy ary ny 3-6 novambra kosa ny sokajy zandriny.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT