Sport

Tsipy kanetibe – Mada dingana fah-5 Norombahan’ny CAI ny “junior” ary UNOH vehivavy


  • Talata 28 Jolay 2015

Tontosa tany Tsiaroanomandidy ny faran’ny herinandro teo ny dingana fah-5 farany mialoha ny famaranana lehibe amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy vehivavy sy “junior”.

Norombahan’ny ekipan’ny CAI Analamanga norafetin’i Ny Avo, Emile, Yves ary Patsa ny  dingana fah-5 farany amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara sokajy “junior” ka ny ekipan’ny “Fanatanjahantena sy Fianarana” eny amin’ny ANS Ampefiloha izay nisy an’i Dinoh, Hery, Fy no lavon’izy ireo tamin’ny isa 13-10 tamin’ny famaranana. Ny ekipan'ny Unoh Vakinankaratra nisy an’i Lalaina, Cicine, Tita kosa no nahazo ny sokajy vehivavy rehefa nanilika an’i Judicael, Mireille, Tatie avy amin’ny 3FB Analamanga tamin’ny isa 13-8 tamin’ny famaranana. Nisy ihany koa ireo fifaninanana tamin’ny sokajy hafa ka tompondakan’ny olontokana lehilahy i Mamy avy amin’ny CBT Analamanga izay nampiondrika an’i Ny Aina avy ao Tsiroanomandidy tamin’ny isa 13-3. Nahazo ny sokajy “veteran” ny CIA Ivato izay nandahatra an’i Bobo, Lam, Bruno ary nandresy ny ekipan’i Kamal avy any Mahajnga tamin’ny isa 13-10.

Tapakilan’i Thailande

Hiditra amin’ny famaranana lehibe ny sokajy vehivavy sy “junior” amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Ny 22-23 aogositra no hanaovana azy io eto andrenivohitra ka ekipa valo no hifaninana ho an’ny vehivavy ary enina kosa ny “junior”. Marihina fa izay tompon-daka eo no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompon-daka erantany hatao any Thailande amin’ny faran’ny volana oktobra. Hifansey samy hatao any avokoa moa ireo sokajy roa ireo ka ny an’ny vehivavy no handeha mialoha ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra ary ny 3-6 novambra kosa ny an’ny “junior “.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT