Sport

Tsipy kanetibe – Mada Boss Lasan’i Trema sy Taratra ny tapakila mankany Frantsa


  • Talata 19 Mey 2015

Norombahan’ny ekipan’i Trema sy Taratra ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara “boss” ho an’olon-droa izay natokana ho an’ireo mpitantana orinasa ary natao tetsy amin’ny CBT Mahamasina ny faran’ny herinandro teo.

 Lavon’ny ekipan’i Trema avy amin’ny Patisserie Royal tamin’ny famaranana tamin’ny isa 13-6 ny ekipan’i Ndriana sy Hery avy any Morondava. I Vonjy sy Tahina kosa no nahintsan-dry Trema tamin’ny manasa-dalana. Tapakilan’ny fiaramanidina Tana-Paris-Tana moa no loka azon’ny ekipa mpandresy. Hiatrika fifaninanana izy ireo any Frantsa ary afaka hanatrika ihany koa ilay fifaninanana iraisam-pirenena goavana “Masters de France”. Ekipa olon-droa 39 avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra sy Analamanga no nandray anjara tamin’ity fifaninanana nasionaly “boss” ity. Ny fifaninanana fankalazana ny fah-60 taonan’ny CBT indray no hanamarika ny faran’ny herinandro manaraka izao.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT