Tsipy kanetibe

Lasan'Ambohitrimanjaka ny entana


  • Talata 30 Aprily 2024

Afaka ny gadran'ny FSBM. Raha ny heno farany mantsy dia efa nofafan'i Claude Azéma

ny sazy fampiatoana ny tsipy kanetibe malagasy.Velom-bolo indray izany ireo mpilalao malagasy fa ny tena mahazo tombony aloha hatreto dia ireo telolahy avy ao amin'ny UBM Ambohitrimanjaka satria efa nanambara ampahibemaso ny FSBM fa izay mandresy tamin'ny Amboaran'i Madagasikara tany Antsirabe no hisolontena an'i Madagasikara amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika. Dia sanatria ve hivadika amin'ny teny nomeny sahady ny filoha vonjimaika Adrien Andrianirina ?Hatreto aloha izany dia Hery Morondava, Jeannie ary Donald no voatendry handeha.Raha ny tokony ho izy dia maka iray amin'ireo nanao famaranana hanampy ity ekipa ity. Ary amin'ny fo tsy miangatra dia tokony Havana no hiantefan'ny safidy satria i Baloti mba efa tany Espagne nefa tsy nisy napoaka. Ary eo no tena mipetraka ilay tsy tokony hianona hisafidy mpilalao amin'ny anarany fa ny fahaizana miaraka no tena zava-dehibe. Ekipa anie tsy nisy ohatran'iny tany Lomé netin'i Dolys Randriamarohaja iny ( toa mbola tsy nalohan'ny Ministera ihany aloha ilay vola tamin'iny sy ijay tany Shanghai). Nihintsana teo amin'ny ampahaefa-dalana anefa i Mamy Mainty, Tafita, Rado Bond sy Petit fa tany amin'ny Coupe des Nations natokana ho an'ireo rehetra tsy tafakatra tany amin'ny dingan'ny manasa-dalana, vao mba nivoaka ihany ny sary.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT