Tsipy kanetibe - La Marseillaise

Sendra ny taolana indray ry Nanou


  • Talata 02 Jolay 2024

Nandravarava ireo malagasy tany amin'ny fanombohan'ny La Marseillaise.13 noho 0, 13 noho 1.

Izany hatrany ny tarehimarika hita tetsy sy teroa raha vao hoe ekipa malagasy. Tao izao ry Hery niaraka tamin'i Tselonina sy Bri.Tao koa i Nanou izay niaraka tamin'i Baloti sy Havana.Tena tsara ity farany saingy sendra an'i Dylan Rocher sy ny zandriny dia tsy hita na dia niady mafy aza. I Nanou no tena nampiaky ny maro fa na ny kanety no voany indroa na ny vy fa tena sahirana ry Dylan Rocher. Diso kajy kely ihany anefa ny malagasy raha nisafidy ny hanafika foana satria raha vao tsy mahavoa indray mabdeha dia efa lasan'ny Frantsay izay.Nifarana 13 noho 6 ny lalao fa tsy natao ahamenatra izany fa isan'ny lalao niady indrindra tany Marseille iny. Marihina moa fa nahatra 2124 olon-telo miaraka ity La Marseillaise 2024 ity.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT