Sport

Tsipy kanetibe – Jobily Honorus Lasan’i Toutoune sy Roch ny moto


  • Talata 29 Septambra 2015

Ekipa olon-droa niisa 62 no namaly ny antson-dRazafindrat­sima Pierre Honorus tamin’ny fifaninanana fankalazana ny faha-40 taona nilaovany ny tsipy kanetibe.

 


 
Ny sabotsy sy alahady teo tetsy Mahamasina no nanaovana ny fifaninanana izay nizara sokajy telo. Natambatra sokajy tokana ny “senior” sy “junior” ka tafavoaka nandresy ary nandrombaka ny Moto Yamaha ny ekipan’i Toutoune sy Roch izay nampiondrika ny ekipan’i Piwi avy eny Ambodin’Isotry tamin’ny isa 13-11 tamin’ny famaranana. Ekipa niisa 13 kosa no nifaninana ho an’ny sokajy “veteran” ka tafavoaka nandresy ry Zaka sy Jovenna nanoloana an-dRadadatoa sy Radany tamin’ny isa 13-11 tamin’ny famaranana. Vokatra ho an’ny vehivavy, lavon’i Miarintsoa sy Riantsoa tamin’ny isa 13-10 ry Cicine tamin’ny famaranana. Ekipa 10 moa no nifaninanana ho an’ny vehivavy. Fahitalavitra sy tapakila fisakafoana any amin’ny hotely Manga 67ha moa ny loka ho an’ny veteran sy vehivavy.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT