Sport

Tsipy kanetibe Homena trano sa fiara izy efa-dahy tompondaka erantany ?


  • Alarobia 07 Desambra 2016

Tompondaka erantany amin’ny tsipy kanetibe i Madagasikara, taorian’ny andiany faha-47 notanterahina teto amintsika.

Nanakoako eran’izao tontolo izao ny vokatra azon’ny Malagasy. Hatreto dia mbola mangingina ny Fanjakana ny amin’izy efa-dahy Razafimahatratra Hery, Razakarisoa Tita (Mims), Andrianiaina Christian (Nanou) ary Rakotondrazafy Lova niaro ny voninahi-pirenena. Ny praiminisitra Mahafaly Olivier no nampanantena fa “tsy maintsy horaisin’ny filoham-pirenena” izy ireo. Rahoviana dia ahoana ? Homena trano sa hotolorana fiara isanisany ireo tompondaka ? Andraikitra mavesatra no nitambesatra teo an-tsorok’izy efa-dahy tamin’iny fifaninanana nandraisan’ny firenena niisa 48 anjara iny. Betsaka rahateo ny resaka nandeha tany amin’ny fifantenana azy ireo sy ny fikarakarana iny fifaninanana iny saingy nisinda sy nangina ireny taorian’ny nandrombahan’i Madagasikara ny amboara erantany. Malaza ratsy mantsy isika Malagasy hoe kely na zara raha mba misy fankasitrahana ireo atleta mandrombaka amboara erantany na medaly volamena avy miatrika fifaninanana iraisam-pirenena na fiadiana ny tompondaka erantany, hany ka aleon’ny sasany mikipy manoloana ny voninahi-pirenena tokony harovany fa sandainy vola “euros” na dolara, ary dia manao resy rehefa mifaninana na miady any an-tanin’olona any. Inona no hitranga amin’ity ?

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT