Sport

Tsipy kanetibe Ho tonga anio ry Toutoune sy ny namany


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato anio alakamisy 14 septambra amin’ny 2 ora tolakandro ny ekipa Malagasy misy an’i Toutoune,

 Yves, Glou ary Ny Havana sy ny mpanazatra nasionaly Dolys izay vao avy nandrombaka ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja tsipy kanetibe taona 2017 tany Tunis tamin’ny sabotsy 9 septambra teo rehefa nandresy an’i Tonizia mpampiantrano 13-7 teo amin’ny lalao famaranana. Marihana fa namiratra tanteraka i Tonitsihoarana Alhenj Ulricha na i Toutoune tamin’izy 4 mirahalahy ireo. Mbola voahosotra ho tompondakan’i Afrika tamin’ny « tir de précision » koa izy raha nandresy an’ilay tonizianina Bougriba tamin’ny isa 45-40. Hotsenain’ny rehetra am-boninahitra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina avy hatrany ry zareo avy eo.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT