Sport

Tsipy Kanetibe Hisokatra ny taom-pilalaovana


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Hiverina eny kianja ihany ny kanetibe na dia mbola tsy nivaha aza ny olana mikasika ny sazy nataon'ny Federasiona iraisam-pirenena.

Mbola baraingo aloha hatreto ny fandraisan'ny Malagasy anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena Ary ny loza dia mety tsy ahazo handray anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy ity taranja fa fantatra fa tena angadin'ny Malagasy. Miankina amin'ny fandoavan'ny ministeran'ny Fanantanjahantena sy Tanora ny volan'i Dollys Randriamarohaja moa no famahana ny olana raha ny resaka mandeha na dia efa tsy mitaky izany aza ny zanak'i Itompokolahy. Ny filoha Azéma mihintsy no mitaky ny hanefan'ny MJS izany trosa efa neken'ny Tale Jeneraly Rosa Rakotozafy ny handoa aza ka nahatonga an'i Dollys Randriamarohaja mbola niantoka indray ny dia tany Lomé nandritry ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika. Hatreo izany iny saingy tsy nanakana ny FSBM tsy hikarakara hetsika eto an-toerana toy ny faran'ny herinandro ho avy io. Hisokatra ny 18 sy 19 martsa izao tokoa ny taom-pilalaovana 2023 ary hitontosaina eny amin'ny PAC Ampitatafika izany. Ny lehilahy olon-telo miaraka no tena goavana satria raha 3 alina ariary ny saram-pisoratana dia tafakatra 1 tapitrisa ariary ny vola omena ny mpandresy miampy amboara. Ny faharoa koa dia mbola mandray 600 000 ariary raha 2 hetsy ny fahatelo sy fahaefatra. Mitovy kosa ny loka raisina ny zokiolona olon-telo miaraka sy juniors ary ny vehivavy. Samy 2 alina ariary ny fandraisana anjara. Fa ny mandresy eo amin'ny sokajy telo ireo no mandray 3 hetsy ariary ary 1 hetsy ho an'ny faharoa raha 5 alina ny fahatelo sy fahefatra. Somary kely ireo loka ireo raha oharina amin'ny ataon'ny klioba sasany fa izay angamba aloha no azo atolotra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT