Sport

Tsipy kanetibe Hanolotra kianja filalaovana ny tanŕnan’Antananarivo


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Tonga tao amin’ny lapan’ny tanŕna Analakely nanome voninahitra sy nisaotra ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, omaly,

ny mpilalao Malagasy izay vao avy nandrombaka ny anaram-boninahitra tompondaka erantany amin’ny Tsipy kanetibe farany teo, tamin’ny fifaninanana natao teto Madagasikara ny 1-4 desambra 2016. Nitarika azy ireo ny Filohan’ny Federasiona Razafindrainony Béryl. Nambaran’ny Ben’ny tanàna fa “mahavita zavatra ny Malagasy rehefa mifanome tanana”. Efa manomboka miverina ny laza tsaran’ny Malagasy ary antoky ny fahombiazana ny fanamorana rehefa manao zavatra, hoy izy. Hanolotra toerana ahafahan’ny Federasiona sy ny Ligin’Analamanga manao tsipy kanetibe eto Antananarivo ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ary avy hatrany dia hohafainganina ny fanatanterahana azy. Fanomezana lehibe sy zava-dehibe ho an’ny tontolon’ny kanety be eto Iarivo izany kianja izany satria zavatra maharitra hipetraka ho an’ny taranaka. Nanamafy ny Filohan’ny Federasiona fa anisan’ny nahatonga ny fahombiazan’ny fanatontosana iny fiadiana ny Tompondaka erantany tamin’ny tsipy kanetibe iny ny tanànan’Antananarivo, tarihin’ny Ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT