Sport

Tsipy kanetibe – Grand Open Tohanan’ny fianakaviana Randriantefy


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Raha ny taranja tenisy no tena nampalaza ary mbola mampalaza ny fianakaviana Randriantefy dia tapa-kevitra izy ireo hikarakara fifaninanana amin’ny taranja tsipy kanetibe mba ho anjara-biriky fanohanana io taranja efa nitondra avo ny voninahi-pirenena tamin’ny sehatra iraisam-pirenena io.

“Grand Open Triplette” no anaran’ny fifaninanana izay hatao ny 28-30 aogositra eny amin’ny Max Sport Club, Zone Zital Ankorondrano ao ambadiky ny Jumbo Score. Marihina fa eo ambany fiahian’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe io fifaninanana io. “Tanjona ny fanomezan-tanana fanohizana ny fampiroboroboana ny taranja mba hanosehana ireo efa azo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka nahavoahosotra an’i Madagasikara ho tompondaka erantany senior sy junior” araka ny fanamarihan-dRandria­ntefy Max mpikarakara. Fifaninanana ho an’olon-telo miaraka izy io ary misokatra ho an’ny rehetra na manana kara-pilalaovana na tsia. Izay tompondaka eo dia hahazo 2 400 000 ariary, 1 200 000 ariary kosa ho an’ny tompondaka lefitra, 600 000 ariary ho an’ireo resy amin’ny manasa-dalana ary 200 000 ariary ho an’ireo raraka amin’ny ampahefa-dalana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT