Sport

Tsipy kanetibe « Grand Open des arbitres » Lasan’i Taratra sy Rija ny 2.000.000 ariary


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Lasan’i Taratra sy Rija ny amboara kalisy sy ny lelavola 2.000.000 ariary teo amin’ny fifaninanana tsipy kanetibe « Grand Open des arbitres » notontosaina ny sabotsy 24 sy omaly alahady 25 martsa tetsy amin’ny boulodrôme Cbt tetsy Mahamasina.

Resin-dry zareo tamin’ny isa 13-6 i Hery sy Haja Cbt teo amin’ny lalao famaranana. Nahazo lelavola 600.000 ariary kosa ity farany ary 300.000 ariary avy ho an’ireo ekipa olon-droa niaraka faha-3 sy faha-4. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa dia norombahin’i Liva sy Tahiry avy amin’ny Bic Ambohimahasoa ny amboara sy ny lelavola 192.000 ariary niadiana tamin’ny fifaninanana rehefa nandavo an’i Nathalie sy Nathalie mpilalaon’ny Cai tamin’ny 13-5 ry zareo teo amin’ny famaranana. Teo  amin’ny fifaninanana “consolante” ho an’ny sokajy lehilahy dia lasan’i Guy sy Tsiresy nandavo  an’i Bary sy Mim’s 13-12 ny fandresena. Natao hanaovana “levee de fond” ho an’ny mpitsara tsipy kanetibe Malagasy tarihan’ny filohany Andriamparany Yves ity hetsika ity.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT