Sport

Tsipy kanetibe Fifaninanana fankalazana ny fah-40 nilalaovan’i Honorus


  • Talata 22 Septambra 2015

Fifaninana an’olon-droa hatao eny Mahamasina ny 26-27 septambra no hanamarihan-dRazafindratsimba Honorus ny fah-40 taona niangaliany ny tsipy kanetibe.

 Tsiahivina fa efa nikarakara toy izao izy ny taona 2010 tamin’ny fah-30 taona nilalaovany. Hisy ny fifaninanana ho an’ireo “senior”, “veteran”, “junior” ary vehivavy. Goavana ny loka, mahatratra 5 tapitrisa ariary ny fitambaran’ny hozaraina amin’io. Moto Yamaha sy amboara ary sakafo ao amin’ny hotely Manga no anjaran’izay ekipa mpandresy amin’ny “senior”. fahitavitra fisaka ho an’ny fah-2 ary haazo loka hatraminny lah-8. Samy amboara sy fahitalavitra fisaka kosa ho an’ireo tompondakan’ny vehivavy, veteran ary junior. Ny sabotsy 26 septambra maraina amin’ny 10 ora hatramin’ny iray ora no fisoratana anarana ary hanomboka amin’ny 2 ora ny fifanintsanana. Amboara maherin’ny 400 no efa azon’i Honorus ary isan’ny tena nisongadina ny naha tompondakan’i Madagasikara azy in-droa tamin’ny olon-tokana (1982, 1988), in-2 tamin’ny olon-droa (1979, 1997), in-4 tamin’ny olon-telo (1983, 1985, 1992, 2004) ary in-7 tamin’ny amboaran’i Madagasikara. Efa nahazo ny amboaran’ny Oseana Indiana koa izy ary efa in-6 niatrika ny fiadina ny tompondaka erantany (Tonizia 1983, Hollande 1986, Frantsa 1987, Espaina 1989, Italia 1992, Grenoble Frantsa 2004).

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT