Tsipy kanetibe

Fety be miaraka amin'ny Vidy Varotra


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.

Nataon'ny orinasa ara-bakiteny mantsy ity lanonana ity ka nampitondrainy ny anarana Vatsy sy Tosika. Fifaninana andraisana olon-telo miaraka ilay saingy mba tsy hivoana amin'ny foto-kevitr'i Tahina Razafinjoelina hoe firaisankina dia mitambatra ny rehetra ary dia mahazo loka manokana ireo juniors, vehivavy ary ny zokiolona tonga ambony indrindra anaty fifaninanana. Mazava ho azy fa tsy maintsy hamorona ekipa matanjaka ireo lehilahy satria dia mahatratra efatra tapitrisa ny vola azon’ny mpandresy ary mbola miampy televiziona 32'. Ny faharoa kosa dia mahazo 2 tapitrisa miampy medaly raha telo hetsy ny fahatelo sy fahaefatra. Ny saran'ny fisorotana anarana izay hifarana ny 4 oktobra amin'ny 9 ora dia telo alina ariary. Ny firaisankina sy ny fifankatiavana no isan'ny nanosika ny Vidy Varotra hanao izao hetsika mbola tsy nisy nanao izao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT