Tsipy kanetibe

Famaranan'ny samy Malagasy ny any Yzeure


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Ela vao tena velona toy ny motera diesel ireo mpiangaly ny tsipy kanety malagasy.

Raha tsy tazana tany amin'ny Masters sy ny La Marseillaise dia nataon'izy ireo nahita ny National tany Yzeure ny faran'ny herinandro teo. Ekipa malagasy roa no niady ny famaranana.Tsy fantatra moa izay tena vokatra farany fa die efa fahombiazana no azo hilazana azy. Ny marina rehefa nahitsy sy namboarina ireo olon-telo miaraka dia izao no vokatra. Raha tany amin'ny Masters no efa niaraka i Baloti sy Havana dia nahita vokatra ry zareo fa i Tiana Kely no nisolo an'i Hery Monde. Tsy azo lazaina tsy mahay anefa i Hery Betafo ity fa tonga tany amin'ny famaranana koa fa niaraka tamin'i Bruno sy Zigle. Resaka samy Vakina ity farany ary rehefa tena mifankahazo an-tsaina dia mety ny atao. Nipetraka tsara koa ny lalao rehetra rehefa tena mametraka kanety fa tsy mitifitifitra fahatany i Hery sy Tina Kely tetsy amin'ny ilany.Ny indro kely ao anatin'izao dia tsy azo soloina intsony ireo nanao Masters. Ny azo hatao angamba dia manendry mpilalao roa afaka mikiky isa fa tsy mitifitra dia ho hita eo ny tohiny.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT