Tsipy kanetibe eto Madagasikara

Ho fantatra anio ny tohin'ny tantara


  • Zoma 12 Janoary 2024

Hanantanteraka ny fivoriambe tsy fantatra intsony na ara-potoana na tsia ny tontolon'ny

kanetibe eto Madagasikara. Etsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina no fotoana ho an'ireo ligy 7 mandrafitra ny FSBM. Federasiona izay tsy misy mpitarika intsony satria dia efa nosazian'ny federasiona iraisam-pirenena ny filoha Amiroudine Andriamilerovason. Ny iray amin'ireo filoha lefitra izany no mitondra ny baolina ka na Rahery izay na i Adrien Antsirabe. Tsy maintsy hitady ny fomba rehetra hanesorana ny sazy no antom-pisian'ity fivoriambe ity saingy ny tsy mazava dia izy mbola miaraka amin'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena ihany izay tsy maintsy ny DGS Rosa Rakotozafy satria mbola tsy voatendry ireo minisitra hitantana ny firenena. Raha izao anefa no ho fisehony dia tena mbola tsy ahazo rariny any amin'ny filohan'ny FIPJA Claude Azéma ibdray izay mitsipaka marindrano ny fitsabahan'ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahantena amin'ny raharaha tokantranon'ny tsipy kanetibe indrindra fa Ramatoa Rosa Rakotozafy izay lazainy fa mbola miray tendro amin'ireo mpitantana ny FMP an'i Béryl Razafindrainony. Ary io no tena antony fa familiviliana ny resaka ny hoe tsy nety ny tatitra mikasika ny fivoriambe notarihin'i Amir. Hatreto izany aloha raha ohatra izao ihany dia aza manantena sazy hivahy izany. Asa anefa izay mety ho giovana satria iza no mahita raha ho tody any amin'ny fifidianana izay hitondra ny FSBM izao hetsika izao. Sa ve dia mbola "pas droit" indray !
Clement RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT