Tsipy kanetibe

Ela ny ela nandresy ry Baloti


  • Talata 06 Aogositra 2024

Lasan'ny ekipa malagasy nahitana an'i Baloti, Tselonina ary Havana ny fandresena.

Tany amin'ny Espalion ny faran'ny herinandro sady isan'ireo andrarezina frantsay no resin'izy ireo dia i Lufovic Montero, Jean Feltain ary Michael Bobeto. 13 noho 7 no isa nisarahana. Efa nitatika 7 noho 5 anefa ny Frantsay vao nifoha tamin'ny torimasony i Baloti ka tsy nomeny isa hatramin'ny farany ireo izay nolazaina fa tsy hisy aharesy ireo. Tsara izany aloha hatreto no nataon'ireo mpilalao malagasy mandray anjara amin'ny Masters ireto. Lasa manamarina ny safidin'ny FSBM raha izao vokatra izao satria resin'izy ireo teo amin'ny manasa-dalana ny ekipa malagasy tena eken'ny maro fa tena mandravarava ary lazain'ny gazety hoe Brezilianin'ny tsipy kanetibe izay tsy iza izany fa Zigle sy Tiana Kely ary Bruno. 13 noho 8 moa no isa nosatahan'ny roa tonta saingy tsy manakana ny eritreritra mianga izany hoe sao dia mba nalefan'ny Zigle ary zalahy ireto. Mila ity fandresena ity mantsy ny FSBM mba hanamporofoany fa tsy diso safidy izy ireo. Mety efa nandefa resaka ihany koa ny DTN izay any an-toerana Tena azo eritreretina izany satria ireo fifaninana any Frantsa dia efa lasa raikitra fa mizara ny vola ho an'ireo izay tafita amin'ny ampahaefa-dalana.Raha ity tany Espalion ity izao dia nahatratra 28 780 euros ny loka saingy efa mizara maromaro satria mahazo daholo ireo tafavoaka anaty vondrona. Mbola tena ady na izany aza satria nahitana olon-telo miaraka 512 no nandray anjara. Marihina moa fa ny taona 2010 no nisy mpilalao malagasy farany nahazo ity International d'Espalion ity dia i Coklet sy David Morondava niaraka tamin'i Coco mpilalao avy any Marseille.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT