Tsipy kanetibe

Efa mieritreritra ny ho tafavoaka ny ala ny FSBM


  • Zoma 05 Aprily 2024

Asa aloha izay fifanarahana nataon'ny filohan'ny FSBM,

Adrien Andrianirina tamin'i Claude Azema fa toa efa mianga any ny fanesorana ny sazy mianjady amin'ny tsipy kanetibe malagasy.Mety ho tohin'ny resaka hoe i Azéma anie no nametraka an'ity filoha vonjy maika ity rehefa noesoriny i Amir Andriamilerovason. Izay ho fanosegany any aloha fa ny tsara dia afaka ny sazy. Toa miroso amin'izany mantsy ny fanambarana mikasika ny fifaninana Amboaran'i Madagasikara izay manomboka anio any Antsirabe ka izay maharesy eo amin'ny lahy sy ny vavy no mandeha any Maraoka mandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika ny volana jona izao. Hiady noho izany ity fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara ity satria eo amin'ny lehilahy olon-telo miaraka dia mahatratra 2 tapitrisa ny vola ho azo miampy ireo Amboara ary misy iray koa omena ny klioba. Dimy alina sy fito hetsy kosa no azon'ny faharoa raha dimy hetsy ny faharoa sy fahatelo.Dimy alina ariary kosa no saram-pisoratana anarana ho an'ny vehivavy sy tanora ary ny zokiolona.Ny voalohany amin'ireo no mahazo enina hetsy raha telo hetsy ny faharoa. Roa hetsy avy no azon'ny fahatelo sy fahaefatra.Any Antsirabe eo anoloan'ny Gara izany no fotoana ho an'ny rehetra na ny marimarina kokoa dia ireo manana ny karatra fikalaovana 2024 ihany . Fomba iray ho an'ny FSBM koa izany hampidirana ny omby any am-bala.
Clément RABARY


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT