Sport

Tsipy Kanetibe « Doublette Mixte » Tompondakan’i Madagasikara i Tsiory sy Balloteli


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Nifarana tetsy amin’ny Boulodrôme CBT Mahamasina omaly alahady 10 martsa 2019 ny “Grande finale” teo amin’ny Tsipy Kanetibe sokajy “Doublette Mixte”.

 

 

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ity sokajy ity i Tsiory sy Balloteli (Club des as/Cbt) nandresy an-dRadoko sy Ando 13-11 teo amin’ny famaranana. Izy ireo  ihany koa no nahazo ny tapakila Tanà-Espagne-Tanà hahazoana miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany 2019 « Individuel, Doublette, Mixte »  ho tanterahina any Espagne ny 2-5 mey 2019. Mbola hisy mpilalao roa hafa ho tendren’ny FMP hanampy azy dahy ireo amin’izany. Nambaran’Atoa Dadah Robinson izay mitantana vonjimaika ny Federasion’ny Tsipy Kanetibe Malagasy ankehitriny fa hanomboka anio alatsinainy ny fampivondronana  ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ity taranja ity hanomana ny fanatrehana ny Fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho tontosaina any Tonizia amin’ny 24-28 martsa 2019 izao sy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany sokajy “Triplette” ho tontosaina any Togo  amin’ny volana jona 2019 izao ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT