Sport

Tsipy kanetibe « Doublette Mixte » Norombahin’i Nathalie sy Bond ny fandresena omaly


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Ekipa lahy sy vavy nahatratra 43 avy any Matsiatra Ambony, Vakininankaratra, Alaotra Mangoro ary Analamanga no niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy « doublette mixte »

 

 

 

 tetsy amin’ny boulodrôme Cbt Mahamasina tamin’ny sabotsy 8 sy omaly alahady 9 desambra 2018. Norombahin’i Nathalie sy Bond avy amin’ny ekipan’i Hino Antsirabe Vakinankaratra nandresy an-dRadoko sy Holy Cbt Analamanga 13-12 teo amin’ny lalao famaranana ny anaramboninahitra Tompondakan’i Madagasikara sokajy « Doublette mixte ». Lasan’izy ireo araka izany ireo « Trophées » sy vola tanaty valopy ary fanomezana samihafa natolotra tamin’ny fifaninanana. Nahazo « Trophées » sy vola tanaty valopy sy medaly volafotsy ary fanomezana maro samihafa koa ireo resy teo amin’ny lalao ankatoky ny famaranana dia i Ram’s sy Hasina (3fb/Pac) ary Hery sy Fanja (Cbt).  Marihina fa samy tafita hiatrika ny Tournoi PPF hotontosaina any Frantsa amin’ny 15-16-17-18-19 janoary 2019 izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT