Sport

Tsipy kanetibe « Doublette Mixte » Fantatra ireo ekipa 8 voalohany hiatrika ny Grande Finale


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Satria ny fahafantarana an’ireo ekipa « Doublette Mixte » 8 voalohany hiatrika ny « Grande Finale » amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 eo amin’ny taranja tsipy kanetibe amin’ity sokajy ity no tena zava-dehibe

 

 

tamin’ny fiatrehana ny dingana voalohany notontosaina tetsy amin’ny boulodrôme Cbt Mahamasina ny sabotsy 26 sy ny alahady 27 janoary 2019 ka nandraisana olon-droa miaraka niisa 77 anjara dia nifanarahan’ny mpikarakara sy ireo mpilalao avy niatrika ny 1/4-dalana fa hajanona teo amin’ny fahavitan’io dingana io ny fifaninanana tamin’ny alahady noho ny fijojon’ny orana be loatra. Nifanarahana ihany koa fa hozaraina ireo amboara samihafa tokony ho natolotra tamin’io andro io ka nisy ny nahazo an’ireo amboara kalisy. Nisy ny nomena medaly, nisy koa ny notolorana smartphone sy Clé Usb. Fa ny lelavola rehetra kosa dia nifampizaran’izy 16 mianadahy tokony hiatrika ny 1/2-dalana.

Ireo ekipa 8 tafita voalohany hiatrika ny “Grande Finale” :

-n°69 : Ando sy Sitrakiniaina ;  n°23 : Solo sy Miora ; n°11 : Ram’s sy Hasina ; n°10 : Ny Antsa sy Nary ; n°13 : Do sy  Hery ; n° 71 : Tatiana sy Tsiresy ; n°54 : Vola sy Cobra ; n° 25 : Mialy sy Jacquit.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT