Sport

Tsipy kanetibe « Doublette Mixte 2019 » Fantatra avokoa ireo ekipa 16 hiatrika ny Grande Finale


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Taorian’ireo dingana roa notanterahana tetsy amin’ny “boulodrôme Cbt” tetsy Mahamasina ny 26-27 janoary 2019 sy ny 16-17 febroary 2019 lasa teo dia fantatra avokoa ireo ekipa 16 hiatrika ny “Grande Finale”

 

 

 

 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 eo amin’ny taranja  tsipy kanetibe sokajy « Doublette Mixte » izay hotanterahina ny 09-10 martsa 2019 ao amin’ny Cbt Mahamasina ihany. Ireto avy izy ireo : Ando sy Sitrakiniaina ; Solo sy Miora ; Ram’s sy Hasina ; Ny Antsa sy Nary ; Do sy Hery ; Tatiana sy Tsiresy ; Vola sy Cobra ; Mialy sy Jacquit ; Jean sy Tanse ; Tendry sy Ravaka ; Radoko sy Ando ; Balotely sy Tsiory ; Toutoune sy Kael ; Eric sy Nicole ; Micka sy Mme Nirina.  Ankoatra an’ireo loka samihafa hatolotra ny mitana ny laharana 4 voalohany dia hisolotena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany 2019 « Individuel, Doublette, Mixte »  hotanterahina any Espagne ny 2-5 mey 2019 izao izay tafavoaka ho tompondaka eo hatevenin’ny federasiona mpilalao lahy sy vavy iray avy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT