Sport

Tsipy kanetibe Coupe de Madagascar 2020 Ny Bic lehilahy sy C2ba vehivavy ary ny Vespa vétéran no nahery


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Tontosa teny amin’ny Boulodrome BC MAMA teny Imerintsiatosika tamin’ny sabotsy 14 sy alahady 15 martsa 2020 lasa teo ny fifaninanana

 

 

 

tsipy kanetibe niadiana ny amboaran’i Madagasikara 2020 teo ambany fikarakaran’ny FSBM « Federation Sport Boules Malagasy » tarihan’ny filohany, Randriamarohaja Dolys. Efa somary alinalina ihany vao tena tafasaraka ny rehetra tamin’ny fanarahana an’ireo lalao famaranana izay notontosaina tao anaty orana tamin’ny ankapobeny . Marihana fa ekipa niisa 205 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana ka olon-telo niaraka sénior lehilahy  ny 150, olon-telo niaraka sokajy sénior vehivavy ny 23 ary olon-droa niaraka 32 ny sokajy vétéran.

Vokatry ny famaranana sénior lehilahy :

Ekipa 65: BIC ( Andrianirainy Maminirina - Rakotoarisoa Lova Sata Mandimby - Ramamonjisoa Jean Jacques Aimé) nandresy ny
Ekipa124: Carré vert ( Razafitsifera - Rakotondrainibe Daniel - Andrianiaina Christian Martin) tamin’ny 13 - 06

Vokatry ny famaranana sénior vehivahy :

Equipe 11: C2BA ( Nirinaniaina Sylvia Monique - Randriambahiny Francine - Andriamihaja Volatiana ) nandresy ny
Equipe 2 : PAC ( Razafinakanga Mirana - Malalaharison Nihary Hasina - Randriamalala Harinivo Felana) tamin’ny 13 - 12

Vokatry ny famaranana sokajy veteran  :

Equipe 18 Vespa ( Rakotonarivo Mamy Cébastien - Andrianarijaona Mamy Ramala)  nandresy ny
Equipe 5 C2BA ( Randriamparany Yves - Ramanantsoa)

Finale Dames tamin’ny 13 – 09

Amin’ny faha-17 sy 18 ary 19 aprily 2020 indray ny fotoanan’ny rehetra amin’ny fiatrehana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2020 sokajy olon-telo miaraka lehilahy izay hampiharana ny fitsipika vaovao hisian’ny “Finale à 2 parties” nefa mialohan’izay, hoy ny SG –n’ny FSMB kolonley Vololona, dia mbola hisy lalao karakarain’ny mpikambana  Fsmb ihany ho tontosaina eny amin’ny Boulodrome Anosy Avaratra amin’ny sabotsy sy alahady ho avy izao ary herinandro aorian’io dia hisy ihany koa fifananana karakarain’ny “Collectif des arbitres” ho tontosaina eny Ampitatafika.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT