Sport

Tsipy kanetibe CBT Mahamasina Lasan-dry ireo amboaran’ny faha-63 taona


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Norombahin’i Lalaina sy Nanou, tetsy amin’ny Boulodrôme Cbt Mahamasina tamin’ny sabotsy 24 novambra 2018 teo, ireo TV 32” écran plat Led série 4 miisa 2 natao amboara tamin’ny fifaninanana Tsipy kanetibe hoan’olon-droa miaraka dia ny “Doublette Equilibrée”

 

(Tsy mahazo miaraka ny Elites 2 sy Mercenaires 2) andiany faharoa nentin’ny CBT Mahamasina “Club Bouliste de Tananarive” tarihan’ny filohany am-perinasa, Raheriniaina Yves, manamarika ny faha-63 taona niorenany 1955-2018. Resin-dry zareo 13-08  teo amin’ny famaranana i Daddy sy Mainty (Antsirabe) izay nibata kosa ny Subwoofer nouveau modèle 2.  I Hasina sy Daddy nandresy an’i Tsiresy sy Kola 13-12 kosa no nibata ny lelavola mitentina 1.200.000 ariary natolotra ny mpandresy tamin’ny alahady 02 desambra 2018. Vola   200.000 ariary  no azon’ireto farany. Zava-baovao nambaran’ny filohan’ny CBT Mahamasina ny hisian’ny lalao amin’ny andro alina “nocturne” ho karakarain-dry zareo amin’ity herinandro ity ao anatin’ny fanatsarana an’ity Boulodrôme CBT Mahamasina  ataon-dry zareo ity ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT