Sport

Tsipy kanetibe CBT Mahamasina Hanamarika ny faha-63 taonany


  • Zoma 30 Novambra 2018

Raha norombahin’i Tsialonina sy Solofo tamin’ny sabotsy 24 sy alahady 25 novambra teo ny andiany voalohany tamin’ny fifaninanana fifaninana Tsipy kanetibe hoan’olon-droa miaraka antsoina hoe :

 

 

 “Doublette Equilibrée” (Tsy mahazo miaraka ny Elites 2 sy Mercenaires 2) entin’ny CBT Mahamasina “Club Bouliste de Tananarive” tarihan’ny filohany am-perinasa, Raheriniaina Yves, manamarika ny faha-63 taona niorenany 1955-2018 dia ho tontosaina etsy amin’ny Boulodrôme Cbt etsy Mahamasina ihany  rahampitso sabotsy 01 desambra sy rahafakampitso alahady 02 desambra 2018 ny andiany faharoa amin’izany fifaninanana izany. Raha ho 50.000 ariary isan-tarika hatrany ny “mise” amin’ny ity fifaninanana ity dia hahazoan’izay ho voalohany TV 32” écran plat Led série 4 izany ny sabotsy ary Subwoofer nouveau modèle 2 ho an’izay hitana ny laharana faha-2. Ary ny alahady kosa dia hahazoan’izay ho voalohany lelavola mitentina 1.200.000 ariary izany ny alahady ary lelavola 200.000 ariary kosa hoan’ny laharana faha-2. Ny laharana faha-3 sy faha-4 aza amin’ity alahady ity mbola hahazo 60.000 ariary avy. Marihana fa hisy ihany koa fifaninana hoan’ny sokajy vehivavy ny sabotsy manomboka amin’ny 12 ora antoanrdro ka ny 60%  sy ny 20% ary ny 10% -n’ny “mise” 30.000 ariary naloan’ireo mpandray anjara no hatolotra ny 1° sy faha-2 ary faha-3 amin’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT