Tsipy kanetibe - Bouliste Club de Betafo

Nanao famaranana ny namana Clément Rabary


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Lakalaka ny fiainana. Raha nankafy ny tsipy kanetibe sy nandray anjara

tamin'ny nanorina ny FSBM dia izao vao mipoitra ny fahafehezan'i Clément Rabary io taranja io eny an-kianja. Ny sabotsy teo mantsy no nikarakara hetsika ho an'ireo 50 taona mihoatra ny Bouliste Club de Betafo. Dia mba nandray anjara izy niaraka tamin'i Nest avy eny Antsipilo. Tsy mbola niara izy ireo raha tsy izay fa dia nety. Ry zareo no afaka voalohany tao anaty vondrona izay nahitana ekipa 19. Tody tany amin'ny famaranana moa izy mirahalahy ireto ary tsy nitsanga-menatra satria dia i Lam efa tompondakan'i Madagasikara sokajy zokiny no niaraka tamin'i Rivo avy ao Antsirabe ary isan'ny mafy indrindra koa. Fantatra mialoha izany ny mpandresy saingy tena mbola niady ny lalao. Teo amin'ny ady sahala 5 noho 5 no nivadika ny rasa satria raha tokony hitarika 6 ny namana Clément Rabary dia lasa tsy nahy an'i Lam ilay isa taorian'ny kanetibe farany nantsipin'i Nest. Mbola tokony ho niady ihany anefa ny lalao saingy diso kajy ry zareo Betafo tsy nanala ilay kanetibe iray mba tsy ahatonga ny isa ho 11.Ary dia nisaraka tamin'io isa 11 noho 5 io ny lalao famaranana. Faly aho hoy ny namana Clément Rabary satria fanindroany izao no tonga tamin'ny famaranana toy izao ary ilay teny Ampitatafika aza dia tsy vita ny famaranana fa lasany ny vorontsiloza be. Tsy nianatra ity taranja ity anefa izy raha ny filazana fa hainy teny. Asa mety noho ny maha avy any Betafo azy izay renivohitry ny tsipy kanetibe.
Legende : Avy any havia miankavanana : Lam, Rivo, Oelson, Salema, Clément Rabary ary Nest
Tia Tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT