Sport

Tsipy kanetibe Bemiray Hotontosaina anio sy rahampitso ny «Grande Finale»


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Hotontosaina etsy amin’ny “boulodrôme Paddock” etsy Mahamasina anio alakamisy 28 sy rahampitso zoma 29 desambra 2017 ny “Grande Finale”

amin’ny lalao tsipy kanetibe nokarakarain’ny klioba Bemiray tantanin’Atoa Rakotondralambo Eric nanomboka ny 3 novambra 2017 ka hatramin’ny 8 desambra lasa teo. Dingana 6 no natao isaky ny andro zoma nanomboka tamin’io 3 novambra io ka namoahana ekipa olon-telo miaraka niisa 8 isaky ny fihaonana. Ekipa miisa 48, araka izany, no handray anjara amin’ity “Grande Finale” ity izay tena hiavaka tokoa satria hisy fizarana fanamiana mitovy ho an’ireo ekipa rehetra anio manomboka amin’ny 7:30 maraina. Hahazo tapakila Tanà-La Réunion-Tanà 3 ny ekipa tafavoaka ho mpandresy amin’ity fifaninanana ity, Moto Scooter tsirairay avy kosa ho an’ny ekipa mitana ny laharana faha-2 ary ny faha-3 sy faha-4 dia hahazo fahitalavitra “écran plat” 3 avy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT