Sport

Tsipy kanetibe Atsinanana « Tournoi de Litchis » Lasan’i Hery sy Rony Toamasina ny fandresena


  • Talata 12 Desambra 2017

Norombahin’ny olon-droa niaraka Hery sy Rony avy any Toamasina ny amboara sy ny lelavola 3.000.000 ariary nofinidin’izy ireo halaina tamin’ny fifaninana tsipy kanetibe “

 

Tournoi de Litchis” notontosain’ny ligin’ny tsipy kanetiben’Atsinanana notarihan’ny filohany, Atoa Rivo. Resin’izy ireo tamin’ny isa 13 – 3 ry Zouned sy Sitraka mbola mpilalaon’i Toamasina ihany koa teo amin’ny lalao famaranana natao tao amin’ny “boulodrôme” Place Bien-Aimé ao Toamasina ny alahady 10 desambra teo (efa tamin’ny 12 alina vao nifarana izany famaranana izany). Nahazo ny lelavola 1.000.000 ariary kosa ity ekipa faha-2 ity. Mpilalao avy eto Antananarivo kosa no nitana ny laharana faha-3 sy faha-4 izay samy nahazo 500.000 ariary avokoa. Nahatratra olon-droa miaraka niisa 83 no nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity izay nambaran’Atoa Rivo fa mbola tsy nisy tahaka an’izany tany Toamasina.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT