Tsipy kanetibe

Any Andraikiba no fotoana


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Raha mbola faradoboka amin'ny tsipy kanetibe aloha tsy misy ohatr'ity any Andraikiba

ny 29 sy 30 desambra ho avy izao. Natao ho an'olon-droa miaraka ilay izy ary tompom-baolina sy kongona no tsy maintsy miaraka nefa dia mahatratra efatra tapitrisa ariary no vola azon'ny mpandresy raha iray tapitrisa izay resy teo amin'ny famaranana. 2 hetsy kosa ny fahatelo sy fahaefatra raha iray hetsy sy roa alina ny saram-pisoratana anarana amin'ity Faradoboka goavana eny Andraikiba. Misy lalaovin'olon-droa ny vehivavy sy tanora ary ny beantitra saingy kelikely ny vola ho azo.Mandra-piandry anefa dia tokony maka traikefa kely eny Ivato eny amin'ny Grand Open ABMI natao indrindra ahatsiarovana ny Jeneraly Tahiry Rarivomanana.Ny faran'ny herinandro izao no ho tanterahana ity hetsiky ny ABMI eny Ivato ity.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT