Sport

Tsipy kanetibe Afrikanina Azon’ny Malagasy ny “Coupe des Nations”


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Na niondrika teo anatrehan'i Burkina Faso mpampiantrano tamin’ny isa 13-10 isika Malagasy tamin’ny “partie de cadrage”, tafiditra tao anatin’ny fiadiana ny amboaran’I Afrika ho an’ny taranja tsipy kanetibe,

 ka nahatapaka ny làlantsika tsy tafiakatra niatrika ny lalao ny ¼-dàlana tamin’io “Championnat d’Afrique 2021” io, dia mbola afaka nanarina tao anatin’ny “Coupe des nations” ry Avotra, Haja, Denis, Jacky. Nibata fandresena ireo solontenan'i Madagasikara, izay natao tany Burkina Faso. Norombahan'izy ireo ny amboaran'i Afrika rehefa avy nandresy ny ekipan'ny Tchad tamin’ny isa 13-10 tamin’ny famaranana, raha toa ka resintsika tamin’ny 13-11 tamin’ny manasa-dàlana I Togo, ary Guinée Conakry kosa lavo 13-2 tamin’ny ampahefa-dàlana. Noho io vokatra io, nahazo ny tapakila entina miatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany izay hatao any Bénin ny ekipam-pirenena Malagasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT