Sport

Tsipy kanetibe – Afrika Raraka tamin’ny ampahefadalana i Madagasikara


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Nifarana hatreo amin’ny ampahefadalana ny dian’ny ekipa malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Djamena renivohitr’i Tchad ny faran’ny herinandro teo.

 Resin’i Burkina Faso tamin’ny isa 13-8 teo amin’io dingana io ny ekipa norafetin’i Toutoune sy Mamy ary Yves. Na izany aza dia tafiditra ao anatin’ireo ekipa folo voalohany aty Afrika i Madagasikara ary nahazo ihany ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka erantany hatao any Tahiti amin’ny taona 2016. Marihina fa nifanesy resin’i Madagasikara tamin’ny dingan’ny fifanintsanana i Senegal (13-2) sy Maroc (13-12) izay tompon’anaramboninahitra farany ary i Niger (13-6). Resy teo ampahefadalana tamin’ny isa 36-29 ihany koa i Bali tamin’ny fifaninanana tifitra.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT