Sport

Tsipy kanetibe – Afrika Raraka tamin’ny ampahefa-dalana i Madagasikara


  • Talata 16 Jona 2015

Nifarana hatreo amin’ny ampahefa-dalana ny dian’ny ekipa malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Djamena renivohitr’i Tchad ny faran’ny herinandro teo

. Resin’i Burkina Faso tamin’ny isa 13-8 teo amin’io dingana io ny ekipa norafetin’i Toutoune sy Mamy ary Yves. Na izany aza dia tafiditra ao anatin’ireo ekipa folo voalohany aty Afrika i Madagasikara ary nahazo ihany ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka erantany hatao any Tahiti amin’ny taona 2016. Marihina fa nifanesy resin’i Madagasikara tamin’ny dingan’ny fifanintsanana i Senegal (13-2) sy Maroc (13-12) izay tompon’anaramboninahitra farany ary i Niger (13-6). Resy teo amin’ny ampahefa-dalana tamin’ny isa 36-29 ihany koa i Bali tamin’ny fifaninanana tifitra.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT