Sport

Tsipy kanetibe Afaka ny sazin'ny Malagasy !


  • Talata 21 Martsa 2023

Tsy voasazy intsony ny kanetibe malagasy ary afaka mandray anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena raha ny nambaran'ny filohan'ny federasiona, Amir Andriamilerovason.

Tsy nisy fanazavana anefa fa dia hoe afaka fotsiny ny fatorana. Azo adika ve izany fa voaloha ny volan'i Dollys Randriamarohaja izay nuantohany ny delegasiona vehivavy sy juniors tany Cambodge ary ny lehilahy tany Lomé. Raha hiverenana mantsy ny tantara dia ny tsy fandoavana io trosa io no nahatezitra an'i Claude Azéma, filohaby Federasiona iraisam-pirenena. Raha tsorina dia ny tsy fanajana ny teny nomen'ny Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena Rosa Rakotozafy bo tena tao ambadika. Mbola eo amin'io toerana io moa ity ramatoa ity ka mety efa nilamina ny resaka satria tonga hatrany ambony ilay izy rehefa voalaza fa tsy mahazo mandray anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy i Madagasikara. Ity taranja ity anefa dia mety handrombaka manontolo ireo volamena sivy hifaninanana. Izany hoe tena manan-danja lehibe ho antsika Malagasy ny kanetibe. Afaka mieritreritra ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena amin'izay izany ny FSBM ary atao anatra iny zava- nitranga iny satria dia tsy takona afenina ny tsy fitiavan'i Azéma ireo mpitantana teo aloha tamin'izy mbola FMP.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT