Sport

Tsara tohana ny Barea Miandrandra vokatra tsara ny Malagasy


  • Talata 11 Jona 2019

Tsy mbola nisy ekipam-pirenena teto Madagasikara na ny Club M na ny Scorpions nahazo fanampiana sy fanohanana ary serasera efa tena iraisam-pirenena tahaka ny Barea amin’izao fotoana.

 

 

 Any amin’ireo mpilalao sy ny mpanazatra ary ny mpitantana sisa ny tohiny fa raha ny fanohanana na ara-bola na ara-moraly dia tena feno tanteraka. Hatrizay hoe tsy ampy ny saran-dalana, tsy nahazo visa, ratsy ny hotely nipetrahana, misy fanavakavahana,...fa izao ny vola misy fa ny handaniana azy no manahirana. Iny niaraha-naheno iny ny fanoloran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny filoham-pirenena volabe 700 000 000Ar hanohanana ny Barea. Tsy mena-mitaha amin’ny ekipam-pirenena Afrikanina maro isika satria misy an’ireo orinasa anisan’ny matanjaka indrindra eto no manohana ny Barea, tahaka ny zava-misy any Eoropa. Miandrandra fahombiazana ho an’ny ekipam-pirenena ny Malagasy tsy ankanavaka, izay efa ofisialy ihany koa ny vaovao fa afaka ny hisitraka ny lalao rehetra 52 amin’ny alalan’ny Televizionina Malagasy na ny TVM ny rehetra. Any Ejipta ny mason’ny rehetra amin’izao dingana famaranan’ny CAN 2019 hatao ny 21 jona-19 jolay izao. Hanainga anio ho any Maraoka hanao ny fanomanana farany ny Barea mialoha ny tena hihazoany an’i Ejipta.

 

 

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT