Sport

TRS Scooter Hanokatra ny taom-pilalaovana 2019


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Hanokatra ny taom-pilalaovana 2019 eny amin’ny CCI Ivato amin’ny alahady 31 martsa 2019 izao ny Club TRS “Thunder Racing Scoot” tarihan’ny filohany Andrianjaka Jean Patrick “Njaka”.

 

 

 

 Nomarihan’ny sekretera jeneralin’ity klioba TRS ity, Andriamalala Harinjaka Harisson,  izay mpiara-miasa akaiky niaraka tamin’i Jean Patrick tao amin’ny Red Dog teo aloha ihany fa ity no fifaninanana voalohany karakarain’ny TRS taorian’ny nitsanganany ofisialy tamin’ny taona 2018 lasa teo.   Hiarahana misalahy amin’ny FMaM “Federation Malagasy Motocyclisme” ny fikarakarana satria ity koa no hanokatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagascar  amin’ny taranja Scooter 2019 “1ere manche du championnat de Madagascar”.  Ahitana fifaninanana avokoa ireo sokajy 5 misy amin’ity taranja ity dia ny sokajy “Espoir” (-16 taona) mitondra scooter “standard”, sokajy “feminine”  mbola mitondra scooter “standard” ihany koa, ny sokajy C “Catal”, ny sokajy A misy “refroidisssement à air” ary ny sokajy B “catégorie liquide”.  Hotolorana amboara sy fanomezana hatolotry ny mpanohana avy ireo mpifaninana mitana ny laharana 3 voalohany isaky ny sokajy,  hoy i Njaka.  Marihana fa  hahatratra 4 ireo fifaninanana hahazoana ny Trophée TRS amin’ity taona ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT