Hanokatra ny taom-pilalaovana 2019 eny amin’ny CCI Ivato amin’ny alahady 31 martsa 2019 izao ny Club TRS “Thunder Racing Scoot” tarihan’ny filohany Andrianjaka Jean Patrick “Njaka”.
Nomarihan’ny sekretera jeneralin’ity klioba TRS ity, Andriamalala Harinjaka Harisson, izay mpiara-miasa akaiky niaraka tamin’i Jean Patrick tao amin’ny Red Dog teo aloha ihany fa ity no fifaninanana voalohany karakarain’ny TRS taorian’ny nitsanganany ofisialy tamin’ny taona 2018 lasa teo. Hiarahana misalahy amin’ny FMaM “Federation Malagasy Motocyclisme” ny fikarakarana satria ity koa no hanokatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagascar amin’ny taranja Scooter 2019 “1ere manche du championnat de Madagascar”. Ahitana fifaninanana avokoa ireo sokajy 5 misy amin’ity taranja ity dia ny sokajy “Espoir” (-16 taona) mitondra scooter “standard”, sokajy “feminine” mbola mitondra scooter “standard” ihany koa, ny sokajy C “Catal”, ny sokajy A misy “refroidisssement à air” ary ny sokajy B “catégorie liquide”. Hotolorana amboara sy fanomezana hatolotry ny mpanohana avy ireo mpifaninana mitana ny laharana 3 voalohany isaky ny sokajy, hoy i Njaka. Marihana fa hahatratra 4 ireo fifaninanana hahazoana ny Trophée TRS amin’ity taona ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.