Sport

Trophée Red Dog Scoot Eny Imerintsiatosika hatrany ny dingana faha-4


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Fantatra, araka ny resadresaka nifanaovan’ny filohan’ny fikambanana Red Dog Scoot,

 

 Andriambololona Harison, tamin’ny mpanao gazety ny alakamisy 23 aogositra teo fa eny amin’ny SRK KARTING eny Imerintsiatosika hatrany toy ny tamin’ny farany no hanatontosana ny dingana faha-4 amin’ny fiadiana ny “Trophée Red Dog Scoot 2018”.  Mbola ny sokajy B sy A sy ny Catal, ny sokajy vehivavy ary ny sokajy “Espoir” hatrany no hifaninanana  ary dia samy hanolorana amboara sahaza azy avy ireo. Ny amboara Red Dog Scoot 2018 kosa anefa, araka ny fanamarinana nomen’ity filohany ity ihany dia any amin’ny alim-pandihizana hotontosaina aoriana kelin’ity dingana faha-4 ity vao hatolotra. Ny fitambaran’isa azon’ireo mpifaninana tsirairay no mety hahazoany ny amboara. Marihina fa tompondakan’ny Red Dog Scoot andiany faha-4 sokajy B i Zandry kely “ RAFALA Andréas Valery” .

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT