Sport

“Trophée Red Dog Scoot” dingana faha-3 Niraondraona tanteraka teny Imerintsiatosika


  • Talata 31 Jolay 2018

Nanakoako tanteraka ny firaondraonan’ny feona scooter teny amin’ny “piste” SRK Imerintsiatosika tamin’ny alahady 29 jolay 2018 fotoana nanatanterahana ny dingana faha-3 amin’ny fiadiana ny “Trophée Red Dog Scoot”.

Nahavelom-bolo, hoy ny filoha nasionalin’ny klioba Red Dog Scoot  Andriambololona Harison ny fanarahan-dalàna sy fitsipika amin’ny lalao mekanika napetraky ny FMaM “Federation Malagasy Auto Moto”. Nahafaly an’ireo mpifaninana ny nifindrana teny amin’ny SRK Imerintsiatosika ka nitombo be ireo mpandray anjara, indrindra teo amin’ny sokajy vehivavy. Sokajy 5 avy no nanaovana fifaninanana dia ny Cat B, Cat Espoir, Cat feminine, Cat A ary ny Cat Catal na teo amin’ny Trophée na teo amin’ny Open ka nisongadina tamin’izany ry Ramarosanjy Rija, Rajoelimanana Tsihoarana, Raharijaona Kathucia, Ravoavy Moy, Danny Francky Daniel, Ramanantenasoa Anthony, Raj Lionel, Randriamanana Nambinintsoa, Heritanjona, Jasmino, Ando, Tanjona, Raharison Orlando, Njiva.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT