Sport

“Trophée Red Dog Scoot” dingana faha-3 Hotontosaina eny Imerintsiatosika rahampitso


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Nampahafantarin’Andriambololona Harison filoha nasionalin’ny klioba Red Dog Scoot izay mifandray mivantana amin’ny Red Dog Amc any Frantsa hotanterahina eny amin’ny SRK Imerintsiatosika rahampitso

alahady 29 jolay 2018 ny dingana faha-3 amin’ny fiadiana ny “Trophée Red Dog Scoot” noho ny hakelin’ny toerana eny amin’ny CCI Ivato nanatanterahana an’ireo andiany roa voalohany tamin’ity taona 2018 ity sy ho fanomezan-danja ny lalao Scooter Malagasy izay ezahana hanaraka ny lalàna sy ny sata mifehy ny lalao mekanika navoakan’ny FMaM “Federation Malagasy Auto Moto” tarihan’i Me Dadou sady noho ny fangatahan’ireo mpifaninana av amin’ny klioba 32 mpikambana ao amin’ity FMaM ity. Raha ny marina, hoy Atoa Harison, dia noforonina ity fifaninanana ity mba hitaizana an’ireo tanora te hisetrasetra amin’ny fitaingenana moto Scooter mba hanara-penitra tanteraka noho ny laza hafahafa homen’ny olona azy ireo. Mazava tsara ny fandaharana hiseho eny Imerintsiatosika amin’io rahampitso alahady io izay hatomboka amin’ny “Trophée classification”, ny fifaninanana “Course” ara-bakiteny, “Demonstration Boldor sy Harley Davidson” sy “Défilé veteran” ary ny “Course Open” sy fanolorana ny “Trophée” an’ireo mpandresy. Amin’ny 2 septambra 2018 kosa no fantatra fa hanatontosana ny andiany faha-4 farany amin’ity “Trophée Red Dog Scoot” ity.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT