Sport

Trophée Orange Nafàna ny andro voalohany


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Lavon` ny Fosa Juniors, omaly tany Mahajanga, tamin` ny isa 2 no 0 ny ekipan`

 

 

ny Elgeco Plus nandritra ny andro voalohany amin` ny fifaninana Trophée Orange, tranja baolina kitra. Teo amin` ny minitra faha-65 no nampidiran` i Jean Yves ny baolina voalohany. Nampiditra ny baolina faharoa kosa i Rinjala teo amin` ny faha-76 minitra nilalaovana. Mialohan` io lalao nandrasan` ny besinimaro io dia nifandona ny AS Adema sy FC Ilakaka, izay niafara 2 no 0 ihany koa. Tany Toamasina indray dia nifandanja ny lalao teo amin` ny Ajesia sy ny 3FB. 3 no 2 no nisarahan` ny roa tonta izay nivoahan` ny Ajesaia ho mpandresy. Sahala kosa ny ady teo amin` ny klioba Tia Kitra sy Cosfa (1-1).

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT