Sport

Trophée du jeune entrepreneur Tantsoroka ho an’ireo tanora maniry hanangana orinasa


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Ny tanora no anisan’ny hoavin’ny firenena. Izany indrindra no nanosika ny banky BNI hikarakara indray ilay fifaninanana Trophée du Jeune Entrepreneur taona 2018 izay misokatra ho an’ireo tanora 25 ka hatramin’ny 45 taona.

Tanjona  ny hanosika ireo tanora mpandraharaha manana vina tsara sady hanao ny tsaratsara kokoa hatrany. Somary hiavaka kely ny hetsika amin’ity taona ity. Hisy mantsy ilay “TJE Croissance+” entina hanomezana loka manokana ireo tanora manana tetikasa mendrika indrindra amin’ny fampiroboroboana ny orinasany. Tsy latsa-danja amin’izay ireo manana tetikasa miavaka sy mahaliana  ary inoana fa hitondra ainga vao ho an’ny toekarem-pirenena na dia tsy mahavita manokatra orinasa aza. Vola mitentina 3 tapitrisa Ar no hatolotra izay tanora mendrika indrindra ao anatin’ilay fifaninanana antsoina hoe : Startup. Hahazo tolo-tanana avy amin’ny vondrona Axian sy fahafahana mampiasa internet 4 G avy amin’ny telma mandritra ny 12 volana ihany koa izany tanora izany. Ny 9 oktobra ho avy izao no fara-fisoratana anarana ho an’ireo izay mpandray anjara liana ka ao anatin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny BNI no hahafahana mijery ireo karazana fitsipika sy taratasy ilana mifandraika amin’ny lalao. Tsiahivina fa hahazo 100 tapitisa Ar tsy misy zana-bola hahafahany mampivelatra ny orinasany izay tanora hivoaka ho mpandresy amin’ilay “TJE Croissance+”

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT