TROPHEE DE CHOC MUAY THAÏ

Hatao etsy etsy Mahamasina ny 14 jona ny andiany faha-4


  • Zoma 17 Mey 2024

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

Mahamasina ilay hetsika Trophee de choc andiany faha-4 izay eo ambany fiahian’ny Federasiona Malagasy Muay Thai ary karakarain'ny klioba GISL. Hampivondrona ny NakMuay tsara indrindra an’i Madagasikara, Maorisy, Mayotte ary La Réunion ity hetsika ity. Hahazoana fehin-kibo roa kosa ny fifaninana AFSO PRO malaza toy ny fehin-kibo Intercontinental Light Middleweight sy ny fehin-kibo ranomasimbe Indianina Hizara telo ny amboara Choc World Cola sokajy miady, raha ny fanazavana azo omaly. Lohalaharana ny ady vonjimaika (Amatiora) izay hifaninanan’ireo mpianatry ny klioba GISL. Ireo amatiora, matetika vao manomboka na manana traikefa fifaninanana kely, hanana ny fahafahana maneho ny talentany sy ny fitiavany ho an'ny Muay Thai. Faharoa ny ady semi-matihanina (Ekipa nasionaly). Ireo ekipam-pirenena izay ho voafidy nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka no handray anjara amin’izany raha mbola hanohy ireo ady ireo i Madagasikara. Fahatelo sady farany dia ny ady lehibe. Ny matihanina, manana traikefa lehibe sy fahombiazana maro tamin'ny fifaninanana no hifandona amin’ny ady isan’ny nisongadina tamin’ity hetsika ity toa an’i Elfazar Fazaraly atleta eto Madagasikara ary Jhonny Gauvin avy atsy La Reunion. Tsiahivina moa fa ny Federasiona iraisam-pirenena Muay Thai dia fanatanjahantena fehezin’ny federasiona maro iraisam-pirenena. Samy manana ny fitsipika sy tanjona manokana izy ireo. Mikasika ny Federasiona Muay Thai amatiora iraisam-pirenena (IFMA) indray dia fikambanana eran-tany eken’ny Komity Olaimpika Iraisam-pirenena (IOC), natokana ho an’ny amatiora Muay Thai izy. Ny World Muaythai Council (WMC) indray dia fikambanana manasazy ny hetsika Muay Thai matihanina amin'ny sehatra maneran-tany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nataon’ireo mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT