Sport

Triathlon andiany faha-26 Eny Mantasoa ny sivana farany raha…


  • Alarobia 28 Aprily 2010

Raikitra indray ! Hontontosaina eny Mantasoa ny alahady izao ny andiany faha-26 amin’ny fifaninanana triathlon izay tafiditra amin’ny fifantenana farany ireo mety hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Afrika Atsimo ny 8 mey izao.

“Mbola baraingo ny mikasika ny fiatrehantsika io fiadiana ny tompondakan’i Afrika io satria mbola miandry ny valin’ny fangatahana fanampiana sy fanohanana avy any amin’ireo malala-tanana”, hoy i Tiana Raoelina Andriambololona, filohan’ny fikambanana Triathlon Madagascar. Io no ho fandraisan’anjarantsika Malagasy fanindroany amin’ny fifaninanana kaontinantaly raha lasa soa aman-tsara ihany. Tsy mbola nitaky fanampiana tamin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena moa ry zareo mpitantana ity taranja ity satria mbola miandry ny fitsanganan’ny federasiona ara-dalàna. Heno fa ny lafiny ara-taratasy no sisa andrasana amin’izany taorian’ny fifampidinihana teo amin’ny roa tonta. Marihina fa ny ‘triathlon sprint’ no hifaninanana amin’ny alahady izao io ary akoatra izay, toy ny mahazatra, ireo fifaninanana hafa toy ny ‘duathlon’ sy ny ‘aquathlon’. Heverina fa hafana ny fifaninanana amin’ity indray mitoraka ity na dia efa somary tafiditra tsikelikely amin’ny fotoanan’ny ririnina aza isika izao.

Hery Rabe   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT