Sport

Triathlon – Andiany faha-25 Anaram-boninahitra fanindiminy ho an’i Soloniaina


  • Talata 30 Martsa 2010

Norombahan-dRamiandrasoa Soloniaina ilay fifaninanana triathlon andiany faha-25 natao tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny alahady teo.

Io no anaram-boninahitra faha-5 azon’ity tovolahy vao 21 taona monja ity ka nametraka azy ho anisan’ireo sangany indrindra toa an’i Njakatsirofo izay efa nahazo andiany dimy ihany koa. Ny triathlon sprint (lomano:1500m, VTT:40km, hazakazaka:10km) moa ity notanterahina ny faran’ny herinandro teo ity ka 2:26:43 no fotoana vitan’i Solo. Laharana faharoa Razafinirina Philipson (2:34:38) ary fahatelo Randriamanantenasata Anja (2:37:37). Efa azo antoka izany fa i Solo no anisan’ireo Malagasy roa hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Afrika Atsimo ny 8 mey izao raha mbola manjavozavo ny mikasika ilay solontena malagasy faharoa. Laharana voalohany teo amin’ny duathlon kosa Randrianirina Joachim (2:07:36), faharoa Razafindrakoto Alain (2:12:00) ary tany amin’ny fahatelo ilay atleta sangany ao amin’ny Cabeva, Randrianarison Fabien (2:14:18) izay tojo olana mekanika teo amin’ny bisikileta. Nisy hatrany toy ny mahazatra koa ny aquathlon ho an’ireo sokajy zandriny. Amin’ny faran’ny volana aprily indray ny andiany faha-26 manaraka amin’ity triathlon ity.

Hery Rabe
 
Vokatra hafa
-Triathlon isan-tarika :
Pompier
-Duathlon junior :
Rakotomalala Fabien (22’35)
-Duathlon vavy :
Raverohantamalala Jocelyne
-Aquathlon 13-15 taona lahy :
Rakotonaivo Stéphane (14’44)
-Aquathlon 13-15 taona vavy :
Rabetsaroana Soa (16’22)
-Aquathlon -12 taona lahy :
Rasolonjatovo Michael (9’18)
-Aquathlon -12 taona vavy :
Ramiandrisoa Ranto (10’08)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT