Sport

Tournoi Rugby Mazavaloha Tfma Flesy sy 3Fb no hanao famaranana


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Nikarakara “Tournoi Rugby” tetsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena nanomboka omaly alahady 5 aogositra ny fikambanana Mazavaloha tarihan’ny filohany Rabarinala Gilbert.

 

Nokarakaraina niarahana amin’ny “Primature” ity hetsika ity, hoy ity filoha ity, ka natao indrindra hanentanana ny handaminana ny fandriampahalema eto amin’ny tanàna izay mila homena hasina tokoa ankehitriny. Tonga dia lalao 1/2-dalana D-1 elite 1 no nanombohana an’ity andiany voalohany ity ka ho lazaina manaraka eo ihany ny toerana sy daty hanatanterahana ny lalao famaranana izay ambara anefa fa tsy ho ela akory, hoy Atoa Gilbert. Tafita hiatrika izany famaranana izany ary ny Tfma nandresy ny XV  Family 15-12 sy ny 3Fb nandavo ny Tam Anosibe 33-21.

Fa nialohan’ireo lalao roa ireo dia nisy ny lalao famaranana “Inter-Section” D-1 elte 2 nahitana ny fandresen’ny Fta ny Ftat (17-16) ka nandrombahiny ny omby mifahy izay sady 1/2 -famaranan’ny elite 2  ihany koa niaraka tamin’ny lalaon’ny XV Voks nandresy ny Rosa Club (17-06). Ary tao analanelan’ireo di any fihaon’ny vehivavy  Matadorea – Tam (17-13).

 

Ntsoavina Evariste

Rabarinala Gilbert filohan’ny Mazavaloha teny Antanimena omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT