Sport

Tournoi Orange cheg natao tany Maraoka Raraka teo amin’ny manasa-dalana ny Elgeco plus


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Tonga omaly maraina teny Ivato ireo katitakely latsaky ny 13 taona na U 13 ao amin’ny klioban’ny baolina kitra Malagasy, Elgeco plus,

rehefa nahavita ny Tournoi Orange cheg tany Maraoka. Nandavo ny tompon-trano dia ry zareo maraokanina tamin’ny isa 3 noho 1 ary nanao sahala 0 noho 0 tamin-drizareo kameroney ny Elgeco tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona, raha ny fampitam-baovao. Ry zareo avy atsy Borkina Faso kosa no nandresy ny Malagasy teo amin’ny manasa-dalana ary mbola lavon-drizareo avy atsy Soazilandy koa teo amin’ny fiadiana ny laharana faha 3. Klioba avy amin’ny firenena miisa 10 moa no nandray anjara ary nisy koa ny fifaninanana daka lavitra na “tir au traverse” izay nifaninanan’ireo mpanazatra ka ny Coach Yvon, izay nitondra ireto katitakely ireto tany an-toerana moa no nibata ny amboara tamin’izany, raha ny fampitam-baovao hatrany.

J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT