Tournoi inter-écoles de foot

Norombahin’ny Akademia Fanamby ny amboara


  • Talata 13 Mey 2025

Tontosa soa aman-tsara ny "Tournoi inter-écoles de foot" ho an'ny sokajy U14 nokarakarain’ny AJESAIA

teny amin'ny kianja Antanikatsaka, Itaosy. Nisy ekipa 16 isaky ny sokajy no nandray anjara tamin’izany, ary isaky ny sabotsy no nanatontosana ny lalao fifanintsanana (matchs éliminatoires). Ny dingana famaranana (phase finale) kosa dia natao ny alahady 11 mey 2025 teo. Anisan'ny nanamarika io fifaninanana io ny fandraisana anjara voalohan'ny AKADEMIA FANAMBY tamin'ny sokajy U14, izay nahazoany ny amboara (coupe). Na vao haingana aza no niforonany, efa nanoratra tantara sahady ireo teknisiana sy mpilalao zandriny ao aminy. Raha ny fotoana niorenany no jerena, dia isan’ny akademia tanora indrindra ny Akademia Fanamby, saingy nahitana traikefa sy fahaiza-manao mazava ireo mpanazatra ao aminy. Fantatry ny rehetra ny haavon'ny teknika sy ny herin’ny "écoles de foot" nandray anjara, saingy tsy namela an-dry zalahy bandikely tarihin’i Maître Dama sy ny ekipany handalo fotsiny ny amboara, fa azony soa aman-tsara. « Manolotra fisaorana feno ho an'ny mpikarakara sy ny ekipa rehetra nandray anjara izahay, ary hamafisina eto fa tena ilaina ny fifaninanana tahaka izao ho toy ny sehatra handrefesana sy hanombanana ny fandrosoana sy ny asa vita hatramin’izay. », hoy ny eo anivon’ny Akademia Fanamby. Eto ary dia misintona ny sainareo mpankafy baolina kitra izahay eto amin'ny AKADEMIA FANAMBY, satria hisy ny "stage de perfectionnement" atsy ho atsy, izay karakarain'ireo teknisiana ao amin'ny akademia ary hotontosaina eto an-toerana ihany. Koa miandry sy manantena ny fahatongavanareo amin’izany izahay, satria hampiakatra ny haavon'ny teknika sy ny tanjaka ara-batana no tanjona amin’ilay "stage", hoy hatrany ny eo anivon’io Akademia io. Hisy ihany koa ny fanivanana ireo tena manan-talenta, izay mahafehy fahaiza-manao sy fitondran-tena tsara. Koa irariana ny mba ho maro ianareo no handray anjara sy haneho fahavononana amin’izany , hoy ny fanentanan’ny Akademia Fanamby.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT