Sport

Tournoi Foot à 11 Ftmtk Ekar Ambohimasina Lasan’ny Lycée Privée La Source ny amboara


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Tontosa tao amin’ny EKAR Ambohimasina Betafo ny alahady 15 jolay 2018 teo ny lalao famaranana baolina kitra « Tournoi Foot à 11 » sokajy vehivavy nokarakarain’ny Tanora ao amin’ny FTMTK EKAR DISTRIKA Ambohimasina.

 Lasan’ny mpianatra tao amin’ny Lycée Privée La Source nandresy 3-1 an-dry zareo Sekoly Katolika Ambohimasina ny amboara lehibe niampy « maillots complet » tamin’izany raha ondry kosa no natolotra ny laharana faharoa ary baolina filalaovana kosa no nomena ny ekipa laharana faha-3 dia ny mpianatry ny kaominina Manohisoa. Tonga tany an-toerana nanolotra an’ireo loka ireo ny filohan’ny FIBEMIH « Fikambanan’i Betafo Miray Hina »,  Atoa Ratiariniaina Jean Theobert na Ra-THEO FIBEMIH ary avy eo mbola nidina tany amin’ny fokontanin’i Soaverana kaominin’Ambohimasina koa ny tenany nanatitra « maillots complet » ho an’ny ekipan’ny fokontany ao amin’ity tanàna ity izay ao anatin’ny fanatanterahana fifaninanana koa amin’izao fotoana izao. Novoizina hatrany tao anatin’ireo hetsika ireo ny filamatry ny Fibemih :  « Jereo ny ankehitriny, banjino ny ho avy : tsara ny mivoatra! ».

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT