Sport

Tournoi de vacances ASSCAB 2019 any Mahajanga Faritra enina no efa manana solontena


  • Talata 13 Aogositra 2019

Faritra enina izao no efa misy solontena handray anjara amin’ny « Tournoi de Vacances 2019 » karakarain’ny A.S.S.C.A.B « AMITIE SPORTIVE ET SOCIO-CULTURELLE ANALAMANGA-BOENY »

 

 

 izay hotanterahina any  amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga manomboka ny  alatsinainy 16 septambra ka hatramin’ny zoma 20 septambra 2019  ho avy izao, izany hoe aorian’ny fiatrehan’ny mpianatra ny fanadinam-panjakana BEPC. Fifaninanana natokana  ho an’ny sokajy zandriny  U 10, U 13, U 15, U 17 izy ity sy ho an’ny vehivavy ihany koa. Ireto avy ireo ekipa isaky ny Faritra efa fantatra : FARITRA BOENY: Fc Dandjy, Monjangay, Fcm, Fc Tsaramandroso , Bombarde, Aca, Fcjfa, Challenger, Som, Fcfa, Ajsm, Bloc city ;  FARITRA ANALAMANGA  : 3fa Avaradrano, Fc Viva Atehiroka, Boca Espoir Sab/Nam , Bayern Andrefanambohijanahary, St Michel Amparibe, Afc Ankadikely ; FARITRA SOFIA : Psg, 11 Rapides, AS Lyon, Asm Mampikony ;  FARITRA VAKINAKARATRA : Ffb, Lynx ; FARITRA BETSIBOKA : Avenir Andriba ; FARITRA ATSINANANA : Olive verte. Efa mamaramparana ny fandraisana ny anaran’ireo ekipa maniry ny handray anjara ny mpikarakara. Nomarihan-dry zareo anefa fa efa feno ny sokajy U 10 sy U 17 taona. Ho an’ny sokajy U 13 sy U 15 kosa dia ekipa efatra sisa  handrasana dia feno ny  toerana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT